- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Gadra 32 « nanjavona », mety ho voarohirohy ny lehiben’ny...

Miandrivazo : Gadra 32 « nanjavona », mety ho voarohirohy ny lehiben’ny fonja teo aloha

Telo volana mahery teo ho eo izay no tsikaritra fa nisy gadra « nanjavona » tao amin’ny fonjan’i Miandrivazo. Efa nisokatra ny fanadihadiana teo anivon’ny Ministeran’ny Fitsaràna. Fantatra fa nisy mpandraharahan’ny fonja maromaro voarohirohy ao anatin’izany. « Tsy hoe vaky akory ny fonja na nandositra izy ireo fa tsy hita fotsiny tsotr’izao. Rehefa nisy ny fitsirihana natao tany ifotony mantsy dia fantatra voasoratra ao anatin’ny registra ireto voafonja ireto ary misy sarin’izy ireo kanefa tsy hita tao an-toerana (…) Izay zavatra izay no antony nanesorana ny lehiben’ny fonja teo aloha ary nosoloina vaovao » hoy ny fanazavana nentin’ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, Atoa Andriamaroahina Ranaivo Tovonjanahary. Misy 32 no ireto voafonja « nanjavona » tsy fantatra na aiza na aiza ireto, saingy efa nisy tamin’izy ireo no voasambotra. « Voalaza fa rehefa nisy tratra ny olona iray voafonja, dia nilaza sy nanonona ny anaran’ny lehiben’ny fonja teo aloha, sy mpiara-miasa telo na efatra tamin’ity farany, ary nilaza fa tafiditra ao anatin’ny resaka halatr’omby izy ireo » hoy hatrany ny fanazavana azo. Efa eny am-pelatanan’ireo mpanao fanadihadiana ihany koa ny mahasika izay, hoy hatrany ity tomponandraikitra voalohan’ny fandraharahana ny fonja ity, ary heverina fa hivoaka tsy ho ela ny valin’izay. Nilaza ny tsy handefitra mihitsy manoloana ny toe-java-misy moa izy ireo, izay miaraka amin’ny Ministeran’ny Fitsaràna ary hanasazy ireo rehetra mety ho tomponandraikitra tafiditra amin’izany.  « Anaty fanadiovana tanteraka izao ny Fandraharahana ny Fonja, tafiditra ao ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana rehetra. Misy ireo Mpandraharahan’ny Fonja no efa niakatra Filan-kevitra misahana ny fitsipi-pifehezana na CODIS. Misy ireo efa voasazy, ary misy mihitsy no efa voaroaka » hoy hatrany ity Tale jeneraly ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici