- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Kamiao nitondra sira nivarina tany an-kady, maty tsy tra-drano ny...

Miandrivazo : Kamiao nitondra sira nivarina tany an-kady, maty tsy tra-drano ny mpamily

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray, tamin’ny RN34 iny, ny marainan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny sivy ora mahery kely tany ho any. Fiarabe iray nitondra sira 30 taonina hiazo an’Antsirabe no tra-doza nivarina an-kady, tao Matavirano Betamotamo, ka maty tsy tra-drano voatsindrin’ny entana ny mpamily, raha naratra mafy kosa ny mpanampy azy, izay tafavoaka ivelan’ilay kamiao. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy teny amin’ny hopitaly ity « aide chauffeur » ity, ka tsy atahorana intsony ny ainy amin’izao, raha ny nambaran’ny mpitsabo nandray an-tànana ny fikarakarana azy. Raha ny vaovao voaray, avy any Morondava ity fiarabe niharan-doza ity. Natory tao Malaimbandy ary niala tao tamin’ny efatra ora naraina. Tamin’ny sivy ora tany ho any no nigadona tao Miandrivazo, ary raha vao niala kely ny tanàna dia izao tra-doza izao, ka nivarina tany an-dohasaha sahabo ho 50 metatra miala ny lalam-pirenena.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici