- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Lehilahy tratra teo ampaovana firaisana, notapahan’ny tompom-bady ny filahiany

Miandrivazo : Lehilahy tratra teo ampaovana firaisana, notapahan’ny tompom-bady ny filahiany

Zava-doza ny nahazo ilay lehilahy iray tratra nangala-bady fa dia bory tanteraka ny filahiany, tsy nisy intsony na dia kely aza fa tena tapaka tanteraka hatreny amin’ny fotony mihitsy.

Lehilahy iray no tratran’ny tompom-bady teo ampanaovana firaisana tao Miandrivazo, asa, nisy niantso angamba ity tompom-bady ity fa dia tao amina efitra iray mihitsy no nahatratrany azy ary mbola teo ampanaovana ny ataony mihitsy izy roa. Tsy nampoizin’ilay nangala-bady rahateo ny nahatongavan’ny tompom-bady ka iny izy mbola miboridana iny no niditra tampoka ity farany. Efa nivonona tamin’ny antsy maranitra rahateo ranamana araka ny fanazavana ka vantany vao nahita ity rafiny, avy hatrany dia nojinjainy tamin’ny antsy ny filahiany ka tapaka tanteraka. Nitsoaka nandositra kosa ilay ramatoa, araky ny fampitam-baoavao dia tsy mbola hita izy io hatramin’izao ary tsy hita ihany koa ilay rangahy tompom-bady, iray volana lasa teo zao no nisehoan’ity tranga ity tany amin’ny toerana ambanivohitra Miandrivazo tany.

Soa aloha fa nahazo toeram-bitsaboana haingana ilay rangahy ka avotra soa amantsara ihany ny ainy, saingy izao tsy misy filahiana izao intsony. Teto amin’ny hopitaly iray teto Antsirabe no notsaboina ny tenany ary nanamafy ny dokotera nitsabo azy fa tsy misy atahorana ny ainy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici