Mananintanina indray ny fiavian’ny andiam-balala ho an’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny, mipaika amin’ny faritra Menabe. Amin’izao fotoanan’ny rotsak’orana izao mantsy no tena mahafoy ireo atodim-balala miampy ny andro migaigaina. Manomboka foy ireo atodim-balala raha ny vaovao voaray ka mitaintaina ny mponina. Efa maro be mantsy ny vokatra nolalovan’ireo kijeja eny antampon-tanety, izay efa tena maro tokoa amin’izao fotoana, ka manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny vahoaka. Ho an’ny fokontany Ankiranomena, distrikan’i Dabolava, ohatra, raha ny voalazan’ny mponina, dia efa misy mihitsy ireo ary elatra ankehitriny. Fotoanan’ny maitso ahitra izao ka ataon’ireo andiam-balala ripaka avokoa izay lalovany. Hisy fiantraikany betsaka amin’ny famokarana sy ny vokatra ity andiam-balala ity ary ahiana ny mety hisian’ny mosary raha toa ka tsy misy ny fepetra raisina haingana amin’izao firongatry ny kijeja izao.
Andry N.