- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Mpaka an-keriny roa lahy maty voatifitra, votsotra ilay takalonaina

Miandrivazo : Mpaka an-keriny roa lahy maty voatifitra, votsotra ilay takalonaina

Avotra soamantsara tafaverina eo anivon’ny fianakaviany ity lahiantitra nalaina an-keriny, nefa noho ny kapoka sy vono ary dia tongotra lavitra nandritra ny telo andro, dia mbola marefo tanteraka amin’izao ny toe-pahasalamany vokatry ny harerahana, ka mbola arahin’ny mpitsabo maso akaiky ny fivoaran’ny fahasalamany, araka ny tati-baovao voaray farany. Lahiantitra iray 75 taona antsoina hoe : Rakotondrazay Jean Pierre no nalain’ny dahalo enin-dahy nitam-piadiana an-keriny, tao an-tranony, tany amin’ny Fokontany Ambatomena, Kaominina ambanivohitr’ Andranomainty, Distrikan’i Miandrivazo, ny harivan’ny alahady teo. Ny alin’io ihany, dia niantso tamin’ny laharana findain’ny zanak’ity rangahy nalaina an-keriny ity ireo dahalo, ary nitaky vola 20 tapitrisa ariary. Taorian’izay, nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny fianakaviana, ka napetraka ny vela-pandrika. Tao anatin’ny telo andro, tsy tapaka niantso an-telefaonina sy nampihorohoro ny fianakaviana hatrany ireo mpaka an-keriny.  Afak’omaly, raikitra ny adivarotra, fa 8 tapitrisa ariary ny vola nifanarahana homena an’ireo mpaka an-keriny, ary nanondro ny toerana hanaovana ny fifanakalozana ireo dahalo, dia any amin’ny kizon’ Amboloando Ankisira, izay toerana lavitra atao dia tongotra adiny dimy. Raha vao nahazo loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana, dia tonga aloha tany tamin’ny toerana voatondro ireo Zandary nanao fanamiana sivily niaraka tamin’ny solontenan’ny Fokonolona nitari-dia, nametraka paik’ady amin’ny fanavotana ny takalonaina. Vao nahita ny fianakaviana tonga nitondra ny vola ireo dahalo, dia nipoitra ka raikitra ny fifampitifirana tamin’ny Zandary. Mpaka an-keriny roa maty, ny efatra ambiny kosa tafatsoaka izay mbola karohina fatratra atao hazalambo amin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici