- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Mpangala-bary maty voatsindrona lefona

Miandrivazo : Mpangala-bary maty voatsindrona lefona

Lehilahy iray no fantatra fa maty voatsindrona lefona tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ampanasana any Miandrivazo. Tratran’ny olona nandidy vary teny amin’ny tanimbary izy io, omaly maraina. Telo izy ireo no niaraka. Ny mponina anefa efa mailo ary samy miambina ny vokatra eny an-tsaha. Ireny tokoa ireo telo lahy, nidina , avy hatrany dia nandidy ny vary. Raikitra ny antsovonjy sy ny akoralava fa misy mpangala-boly. Tafatsoaka ny roa. Tsy any amin’iny faritra iny ihany amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao no mirongatra ny halatra vokatra eny an-tsaha fa saika manerana Nosy misy no naharaisana vaovao. Tsy ny vary ihany fa lasa ny mangahazo iray vala, ny saonjo, ny vomanga ary ny tsaramaso. Eo anoloan’izany dia efa msiy amin’ny faritra sasany tsy matory andro aman’alina miambina izay nisasarany.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser