Mbola ahitana trangana ambalavelona ao Miandrivazo hatramin’izao ary mandripaka mpianatra maro. Nanomboka hatramin’ny afak’omaly, raha ny vaovao voaray, dia voatery najanona mihitsy ny fampianarana tamina lisea iray tsy miankina tantanana relijiozy any an-toerana noho ny fisiana trangana ambalavelona vaovao tao amin’ity toeram-pianarana ity. Mpianatra maro, raha ny vaovao voaray hatrany no niara-nihetsika ambalavelona sy nihinjitrinjitra ny alakamisy teo. Mahavariana ny mpanara-baovao ity zavatra ity, amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa efa tànana any am-ponja i Kohen Rivolala izay voatondra fa nampisy ity aretina hafaha ity tany an-toerana. Ny rehetra dia samy nahafantatra fa tamin’ny fotoana nitsarana azy dia nisy vavolombelona nihetsika ambalavelona. Tsy maintsy nahato ny fitsarana tamin’izany. Ora vitsy taty aoriana vao notohizana. Fa mbola nahagaga koa anefa, ny ampitson’io fitsarana io, nisy ankizy maro, tsy latsaky ny 20 voaalaza fa voan’ny ambalavelona. Eo anatrehan’izany sy iadiana amin’ny asa ratsin’ny maizina, dia hanao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana androany ny avy ao amin’ny FFKM ao amin’ny renivohitr’ ity distrika ity, entina handroahana devoly sy ny herin’ny maizina mamosavy ny mpiara-belona.
Eric Manitrisa