Mandry tsy lavo loha tanteraka ny mponin’ny Miandrivazo, indrindra ao amin’ny kaominina Dabolava, fokontany Soanafindra. Manjaka tanteraka ny asan-dahalo any an-toerana. Ny alahady lasa teo, mpivarotra sivy no indray voatafika. Olona roa no naratra. Talohan’izao dia efa nisy tsena efatra hafa koa efa voatafika. Tsy vitan’izany fa dia mamono sy manolana ihany koa ireo malaso ireo hany ka mampiferinaina tanteraka ny zaza amam-behivavy. Ahiana araka izany ny haharava tanteraka ny tanàna satria dia lasa mifindra lasy any amin’ireo toerana niaviany avy ireo mponina. Tsy mifidy fotoana hanafihana ireo dahalo fa tonga mandroba ny tanàna na antoandro na alina. Hany mba vahaolana hitan’ny mponina dia ny mifindra toerana tanteraka any amin’ny tany izay niavian’izy ireo tsirairay avy. Manoloana izany dia miantso ny tomponandraikitra isan’isany ireo mponina mba handray fepetra sy hanao izay mety hamongorana ity asan-dahalo ity. Satria dia mitaintaina lava ny mponina ny amin’ny fananany sy ny ainy. Manao antso avo amin’ ny fanjakana koa izy ireo mba handefa mpitandro ny filaminana any amin’iny toerana iny hijery ifotony ny toe-draharaha.
Niony H.