- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Nandefasana angidim-by hikarohana miaramila tsy hita

Miandrivazo : Nandefasana angidim-by hikarohana miaramila tsy hita

Miaramila mpampandry tany  enina no nifanehitra tamin’ny dahalo, tao amin’ny toerana antsoina hoe Mataviakoho, fokontany Ankilimanarivo; izay samy ao amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Ny ben’ny tanànan’i Betsipolitra no mitantara ny zava-nitranga. « Nisy fanafihan-dahalo ny alatsinainy teo. Nandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny fisafoana ny tanàna sy ny fanarahan-dia. Nifanehitra tamin’ny dahalo izy ireo rehefa nifanena tao anaty kizo » raha araka ny filazan’ilay olom-boafidy. Nisy fokonolona  namoy aina tamin’io nandritra ny fanampiana tamin’ny fanarahan-dia. Nisy dahalo  naratra mafy koa. Tao anatin’ny sakoroka no nisy iray tamin’ireo miaramila fito izay tsy hita popoka ary tsy fantatra na maty na velona, mbola niaraka tamin’ny basy kalachnikov izy. Niezaka nitady azy tao anatin’ny kizo sy ny ala ihany ny namany, saingy tsy nahitam-bokany izany. Ahiana mafy ho lasan’ny dahalo ary nataon’ireo takalonaina ity mpitandro ny filaminana ity. Nisy fitoriana  nisesy nataon’ny tompon-tanàna mahakasika ny fiverimberenan’ny asan-dahalo tao amin’ny fokontany maromaro, isan’izany ny tao Ambatata ka nahatonga ny iray tanàna hifindra monina mba ho fiarovana ny aina. Tao anatin’izany fitarainana izany no nisy ny fandefasana miaramila hampandry tany. Nisy ny olona voasambotra izay efa tazonin’ny zandary any an-toerana ary hatolotra ny fampanoavana ao Tsiroanomandidy tsy ho ela. Etsy andanin’izany anefa,dia miompana tanteraka amin’ny fikarohana ilay miaramila tsy hita ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici