- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Nidoboka am-ponja ireo nitatitra rongony tamin’ny 4X4

Miandrivazo : Nidoboka am-ponja ireo nitatitra rongony tamin’ny 4X4

Natolotra ny fampanoavana tao Miandrivazo ary nidoboka am-ponja vonjimaika ireo telo lahy izay nitatitra rongony ka sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-34. Raha tsiahivina dia nitondra fiara tsy mataho-dàlana tsy azo trafina ny ao anatiny noho ny fampiasàna fitaratra mainty, ireo telo lahy. Tsy vitan’izay fa mbola misy famantarana manokana « cocarde » koa, fa fiara an’ny manam-pahefana, ilay nampiasaina. Nandeha tany amin’ny lalana rezionaly izay mampitohy an’i Toliara amin’i Morondava izy ireo aloha. Avy eo Morondava ka hihazo an’Antananarivo avy amin’ny lalam-pirenena 34 izay mifanandrify amin’i Miandrivazo no voasakan’ny zandary. Nirifatra tsy an-kijanona anefa na dia teo aza izany. Teo no tsy maintsy nampiasa ny fifandraisana tamin’ny namany ny zandary ary nampandre ny fisian’io fiara io. Natao avokoa ny barazy rehetra amin’izay mety handalovan’ny fiara ary voasambotra ihany ireo olona tao anatiny. Rehefa nosavaina ny fiara dia nahitàna rongony 13 gony izay milanja 400 kilao. Nazava teo ny tanjon’izy ireo dia ny fitaterana zava-mahadomelina avy any Toliara mba hamidy aty an-drenivohitra. Fanindroany izay no nisy fiara an’ny manam-pahefana sarona nitatitra rongony toy izao. Ny tamin’ity farany ity dia mbola tsy fantatra izay tompony, satria tsy nisy taratasy na ny kely aza tao anatin’ny fiara. Inoana anefa fa tsy ho ela dia ho hitan’ny zandary izany, satria tsy tokony ho sarotra intsony ny famantarana ny fiara avy amin’ny laharany sy ny laharan’ny « carroserrie » izay mipetaka aminy. Ary dia ho fantatra eo ny manam-pahefana mpanao aferan-drongony. Izany no andrasan’ny olona…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici