- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Patsabe 400 kilao sy trondron-dranomasina 30 kilao nogiazan’ny zandary

Miandrivazo : Patsabe 400 kilao sy trondron-dranomasina 30 kilao nogiazan’ny zandary

Nandritra ny fitsirihana sy ny fisavàna teny amin’ny lalam-pirenena faha-35 iny no nahatratraran’ireo zandary misahana ny fifamovoizana ao Miandrivazo, fiara iray, hiakatra aty an-drenivohitra, nitondra hazan-dranomasina manodidina ny 430 kilao teo ho eo, tsy ara-dalàna. Tao Analamaizina, kaominina Andranomainty, distrikan’i Miandrivazo no nahasarona ireto entana tsy ara-dalàna ireto, araka ny fanazavàna azo tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana.

Araka ny lalàna velona misy eto amintsika mantsy dia voarara ny mitondra hazan-drano, ao anatin’ny fotoana mbola tsy mampisokatra ny fotoam-panjonoana. Ambonin’izay dia mbola tsy nisy taratasy mazava ihany ireto hazan-dranomasina sarona ireto. Voatery nogiazana araka izany ny entana rehetra : patsabe (crevettes) izay milanja eo amin’ny 400 kilao teo ho eo miampy trondron-dranomasina mahatratra teo amin’ny 30 kilao. Marihana fa nokasaina hampiakarina aty an-drenivohitra hamidy ireto hazan-dranomasina ireto na teo aza ny tsy fisiana taratasy ara-dalàna, hoy hatrany ny vaovao. Noraisina avy hatrany ny fepetra teo ka nogiazana ireo hazan-drano. Nentina natao fanadihadiana kosa tetsy an-danin’izay ny tompon’ny entana sy ny mpamilin’ny fiara. Ny zandarimariam-pirenana miaraka amin’ny tompon’andraikitry ny Jono ao Miandrivazo moa no miara-manantanteraka izany fanadihadiana izany. Fantatra kosa fa na dia nogiazana aza ireo entana dia tsy navela hitoby ho potika fotsiny tao amin’ny biraon’ny zandary fa nentina nozaraina, ho fanampiana ireo sakafon’ny voafonja sy ireo tobim-pahasalamana any an-toerana, rehefa voatily sy voatsirika fa « azo hanina » izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici