- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Roalahy mitondra sabatra nanafika tobin-tsolika

Miandrivazo : Roalahy mitondra sabatra nanafika tobin-tsolika

Mirongatra tanteraka ny asan-jiolahy any amin’iny faritra Miandrivazo iny tato ho ato izay. Ny alatsinainy lasa teo, roalahy sahy maty tanteraka no tonga nanafika fivarotan-tsolika iray tao an-tampon-tanàna. Tsy nitondra basy izy ireo raha ny fampitam-baovao azo, saingy antsy lava roa kosa no teny an-tanany. Raha ny fantatra hatrany dia nisy vola teo amin’ny 300 tapitrisa iraimbilanja teo ho eo tao amin’ity toby fivarotan-tsolika tamin’io fotoana io. Saingy tsy tanteraka tamin’ny ora farany ny fikasan’ireto olon-dratsy ireto noho ny firaisan-kinan’ireo mponina. Tetsy andanin’izay ihany koa ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana. Na dia teo aza anefa izany dia tafaporitsaka ihany ireto jiolahy nikasa hanafika ireto. Nisy avy hatrany ny savahao sy ny fanarahan-dia nataon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana hikarohana ireto farany.

Fa mbola tany amin’iny faritra iny hatrany, ny talata maraina lasa teo, tao Soanafindra, kaominina Dabolava. Dahalo teo amin’ny 50 isa teo no nanafika ity tanàna ity ary nivantana tamina tokantrano iray. Poa-basy tsy nifandrenesana ny tao an-tanàna tamin’io fotoana io. Vokany, olona telo no naratra. Lasan’ireo olon-dratsy kosa ny vola manodidina ny 10 tapitrisa ariary tao amin’ilay tokantrano. Nitsoaka ireto andian-jiolahy ireto, saingy nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana voantso ara-potoana. Fantatra fa basy vita gasy iray no latsaka teny an-tanan’ireo malaso. Mbola mitohy hatreto ny fanadihadiana sy ny fikarohan’ireto olon-dratsy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici