- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiandrivazo :  Sefo fokontanin’i Mamotsatana novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Miandrivazo :  Sefo fokontanin’i Mamotsatana novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Nitrangan’ny vono olona feno habibiana indray tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo, omaly naraina, tokony ho tamin’ny fito ora, tao Ampasipoara, ka maty nisy namono nihosin-drà voafira tamin’ny antsibe teo amin’ny hatony ny sefo fokontanin’i  Mamotsatana. Raha ny loharanom-baovao dia nisy niantso an-telefonina vao maraina ity sefo fokontany namoy ny ainy ity ka niala ny tranony tao Ampanasana Q2. Vatana mangatsiaka nihosin-drà anefa no hita teny an-tanimboly taorian’izay. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana dia very avokoa ny firavaka, finday ary zava-tsarobidy teny amin’ity sefo fokontany ity. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza.  Araka ny fampitam-baovao voaray hatrany avy any an-toerana, dia sefo fokontany roa no maty nisy namono tamin’ity taona ity tao amin’ny fokontany Mamotsatana. Raha tsiahivina dia ny volana martsa lasa teo no maty nisy nitifitra ny sefo fokontany teo aloha. Ny volana jiona teo no nanolorana ny fokonolona ity sefo fokontan’i Mamotsatana vaovao ity, nefa izao izy nisy namono sahady indray izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici