- Publicité -
dimanche, août 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Takalonaina enina avotra, jiolahy iray voasambotra

Miandrivazo : Takalonaina enina avotra, jiolahy iray voasambotra

Nifanome tanàna ireo teo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny teo anivon’ny Tafika avy ao amin’ny ZRPS Bravo sy ny Holafy faha-511, tamin’ny fanavotana ireo olona lasan’ny jiolahy natao takalonaina tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo iny ny herinandro lasa teo. Avotra soa aman-tsara izy enina mianadahy ary nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no voasambotra, araka ny fampitam-baovao azo. Marihana fa saika hitady merkiora no nalehan’ireto olona ireto tany amin’iny faritra iny, saingy nivadika ho fakàna an-keriny sy fitakiana vola izany nony tonga tany. Vola roapolo tapitrisa ariary moa no notakian’ireo olon-dratsy ho sandan’ny famotsorana ireto olona enina teo am-pelatanan’izy ireo ireto. Niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana taorian’izay ary izao niafara tamin’ny fanavotana ireto olona lasibatra ireto, rehefa nisy ny fifandonana teo amin’ireo olon-dratsy sy iretsy voalohany. Efa niverina eny anivon’ny fianakaviany tsirairay avy moa ireto olona natao takalonaina ireto. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo jiolahy sasany tafatsoaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici