- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Vehivavy nataon’ny jiolahy takalon’aina, voaolana sy voavono

Miandrivazo : Vehivavy nataon’ny jiolahy takalon’aina, voaolana sy voavono

Tsy mifaditrovana ! Rehefa tsy nahita zavatra azo nalaina tao amina tokantrano iray ireo mpanafika dia nalainy natao takalon’aina ny vehivavy iray tompon-trano. Tsy vitan’izany anefa fa mbola nokendaina sy naolana izany vehivavy izany.
Tao amina tanana iray antsoina hoe Akondromena, any amin’iny distrika Miandrivazo iny, no nisehoan’ity trangam-panafihana ity, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Araka ny tatitra azo avy amin’ny zandary dia roalahy ireo mpanafika no nanao amboletra tao amina tokantrano iray. Zava-maranitra no teny an-tanan’izy ireo tamin’io fotoana io. Tsy nahita zavatra sarobidy azo alaina tao amin’io trano io anefa izy ireo ka tezitra. Hany ka nentin’izy ireo an-keriny ireo mpivady tompon-trano. Tafatsoaka tao amin’ilay toerana nitazomana azy ireo anefa ilay lehilahy ka nampilaza avy hatrany ny zandary. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany, nilatsaka teny amin’ny toerana voalaza. Indro eo mbola tao tokoa ireo olon-dratsy, ary efa mikiakiaka miantso vonjy ilay ramatoa. Tetsy an-danin’izay kosa, ireo olon-dratsy dia mbola revo tanteraka mampihatra ny filan-dratsiny amin’ity fanaka malemy no sady manakenda. Nampitandrina azy ireo, ireo zandary saingy mbola tsy norarahiany ary vao mainka aza nampijalijaliany fatratra ilay ramatoa. Vokatr’izay, tsy maintsy nandray fepetra ny hitifitra ireo mpitandro filaminana entina hanavotana ity farany. Maty tsy tra-drano vokatr’izay tifitra nahazo azy araka izany ireo jiolahy roalahy. Avotra soa aman-tsara kosa tetsy andanin’izay ity vehivavy takalon’aina ity. Na izany aza anefa dia fantatra fa naratra mafy ity farany ary voatery nalefa any amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici