Zandary iray kilasy voalohany indray no lavo teny an-tanim-piadina ny omaly vao maraina, taorian’ny ratra nahazo azy tamin’ny fifandonana tamin’ireo malaso. Nampidirina hôpitaly tao Tsiroanomandidy ity mpitandro filaminana ity. Voa mafy ihany izy, raha ny fampitam-baovao. Na dia teo aza anefa ny ezaka nataon’ireo mpitsabo dia tsy tana intsony ny ainy io omaly maraina io. Araka ny vaovao azo hatrany dia nisehoana fanafihan-dahalo nahery vaika tao amin’ny fokontany Betsipolitra, kaominina ao ihany, any amin’iny distrikan’i Miandrivazo ny herinandro lasa teo. Nisy araka izany ny fifandonana teo amin’ny zandary mpanara-dia sy ireo dahalo am-polony maro, nirongo fitaovam-piadiana. Zandary iray naratra voan’ny balan’ny dahalo tamin’io fotoana io. Nentina novonjena tao amin’ny hôpitaly tao Tsiroanomandidy ny lehilahy kanefa noho ny halalin’ny fery dia io tsy tana intsony ny ainy. Mpitandro filaminana ao amin’ny poste avancé-n’ny Betsipolitra ity zandary ity. Noraisin’ny Kômandin’ny ny vondro-tobi-pileovan’i Tsiroanomandidy moa ny fikarakarana ny razana. Fantatra kosa fa any Fianarantsoa no hitondrana ny razana. Fa mirongatra tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana any amin’iny faritra iny. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia mampiasa tovovavy indray ireo malaso entina hanjonoana ireo olona eny an-dalana. Fantatra ary fa tovolahy iray mpitondra môtô no maty voatifitr’ireo jiolahy, ny faran’ny herinandro lasa teo, raha saika handray tovovavy iray teny an-dalana.
m.L