- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Zandary iray rotiky ny balan’ny dahalo

Miandrivazo : Zandary iray rotiky ny balan’ny dahalo

Misesy ny fahafatesan’ny zandary teo am-panatontosana ny asany. Raha vao ny asabotsy teo no nisy roa izay nomem-boninahitra farany tamin’ny lanonana ara-miaramila mifandraika amin’izany, ny ampitson’iny dia efa nisy iray hafa  lavon’ny bala ny zandary. Tokony ho tamin’ny efatra maraina teo amin’ny kizo atao hoe Behoro (Miandrivazo) no raikitra ny fifampitifirana. Nanao fanarahan-dia, toY ny mahazatra, niaraka tamin’ny fokonolona ilay zandary sy ny namany rehefa nisy ny halatr’omby  nitranga tao amin’ny fokontany Antanambao. Adiny enina taty aoriana, voatery tsy maintsy nampiasa lakana ireo mpanara-dia ary teo am-pakàna izany indrindra no nohararaotin’ny dahalo izay niery tao anaty lobolobo notifirina. Voa teo amin’ny lohany, ny tongony ary ny vatany, izany hoe rakotra bala ilay zandary kilasy faharoa antsoina hoe Tsimiampiky. Tafaporitsaka tao anatin’ny haizina ny ankamaroan’ireo jiolahy. Na izany aza, tamin’ity ady ity dia nisy dahalo enina naratran’ny bala. Nisy koa anefa ny lehilahy iray izay avy amin’ny fokonolona, isan’ny namoy ny ainy rehefa voatifitry ny dahalo. Misesy araky ny voalaza etsy ambony ny fahafatesan’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny faritra misy dahalo. Ny tsikaritra dia efa manomboka tsy mitovy intsony ny hery eo amin’ny roa tonta. Sady efa maro an’isa ireo dahalo no mitondra fitaovam-piadiana  tsy mifanalavitra amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana koa.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici