- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana tao Beforona : Miandry ny fahasaitranan’ireo mpamily ny famotorana

Lozam-pifamoivoizana tao Beforona : Miandry ny fahasaitranan’ireo mpamily ny famotorana

Enina ny maty, izay nahitana zaza menavava iray. 24 no totalin’ireo naratra mafy izay mbola manaraka fitsaboana any amin’ireo tobim-pahasalamana namonjena azy ireo. Io no antontan’isa farany azonay omaly atoandro, vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tamin’ny lalam-pirenena faharoa iny ny andron’ny alahady teo. « Mbola samy tsaboina any amin’ny hopitaly avokoa ireo mpamily telolahy : ny an’ilay kamiao sy ireo taxi-borousse anankiroa. Miandry azy ireo ho sitrana soa aman-tsara sy afaka miteny vao afaka manomboka ny fanadihadiana izahay » hoy ny zandary tompon’andraikitr’iny faritra iny.

« Izy ireo ihany mantsy aloha no tena mahafantatra tsara ny zava-nisy sy niseho tamin’io fotoana io » raha ny fanazavana hatrany. Na izany na tsy izany, nanambara ity tompon’andraikitra teo anivon’ny zandary ity fa efa voasokajy faritra mampidi-doza io eo Beforona Marovoalavo io. Tsy vao izay ni nisy loza nahatsiravina nitranga teo fa efa imbetsaka ihany. « Ny antony dia tsotra ihany, hoy hatrany ny fanazavana azo, tsy fitandreman’ireo mpamily. Tsy mitsahatra izahay eto anivon’ny zandary avy eto amin’ny tobim-paritra Moromanga, ny manentana ireo mpamily, midina ifotony mampitandrina azy ireo. Indrindra moa fa ireo mpamily fiara vaventy, izay matetika tsy miraharaha ireo fiara madinika ka mibahana tanteraka ny lalana. Hiaraha-mahalala anefa fa sady fidinana io lalana io no misy fiolanana tsy ahita-mitsinjo ». Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireo mpitandro filaminana, nampitomboina ireo olombelona eny an-kianja taorian’iny loza iny. Raha tsiahivina dia ny afak’omaly tokony ho tamin’ny efatra ora hariva no nitranga ity loza ity. Samy nandeha mafy na ilay fiarabe avy aty an-drenivohitra nitondra vary 32 taonina, hidina any Toamasina na ireo fiara taxi-brousse nanao aloha sy aoriana handeha hiakatra. Tao anaty fiolanana no nobahanan’ilay fiarabe ny lalana rehetra, izay tsu hitan’ilay fiara mpitatitra voalohany. Nifandona ny roa tonta ary nivadika ilay taxi brousse. Avy any ihany ikoa ilay fiara mpitatitra nanaraka iry voalohany, tsy nanampo na inona inona ka nifatratra tamin’ilay kamiao, mbola teo am-povoan-dalana. Ankoatra ireo olona teo namoy ny ainy, mpandeha tao anaty taxi-brousse sy mpanampin’ny mpamilin’ilay kamiao, dia nisy telo hafa, naratra mafy ary namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici