- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsarasaotra, Ambohimangakely : Miantso fijoroan’ny vavolombelona ny olona

Tsarasaotra, Ambohimangakely : Miantso fijoroan’ny vavolombelona ny olona

Ny voalohany dia lozam-pifamoivoizana izay nitranga tetsy amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra. Nifaoka telo mianaka nandeha kodiaran-droa ny fiara iray ary nitsoaka avy eo. Naratra mafy anefa ireo voadona izay nisy zazakely. Mazava hoazy fa nisokatra ny fanadihadiana kanefa mila tadiavina haingana ny mpamily ny fiara izay tompon’andraikitra tamin’ny loza no sady mbola nitsoaka koa. Miangavy ireo izay mba nanatri-maso na koa manana ny laharan’ny fiara ireo fiankavian’ny naratra mba hijoro vavolombelona amin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Torak’izany koa ireo manana « caméra de surveillance » izay mety mahazo sary ny arabe, mba hanome izany amin’ny fianakaviana. Ny tranga faharoa indray dia ilay lozam-pifamoivoizana hafahafa tetsy Ambohimangakely ka nahafaty olona roa. Hafahafa satria mety ho tsy lozam-pifamoivoizana tsotra no nitranga fa kosa fifofoana ain’olona. Nitsoaka koa mantsy ny kamioa izay nifaoka ny fiara nentin’ireo olona roa mpivady ary efa lasa lavitra vao sarona. Mihodidina eo amin’ny hoe lozam-pifamoivoizana sa vonoan’olona niniana ny fanadihadiana mandeha amin’izao, momba io tranga io. Eo koa dia miangavy izay rehetra mba manana vidéo na sary momba io tranga tamin’ny alin’ny alakamisy teo iny ny fianakaviana mana-manjo mba hizara azy ireo izany. Indrindra ireo izay nahita voalohany, izany dia mba ilaina amin’ny fampandrosoana ny fanadihadiana ka hahitàna ny marina. Eto amintsika dia matetika no misy ny mahafanta-javatra kanefa milentika tsy mety mijoro ho vavolombelona. Eo ihany ny tsy te-hisahirana amin’ny fivezivezena isan-karazany kanefa kosa mety mahavonjy fiain’olona ny fijoroana vavolombelona marina. Any ivelany izy ireny dia sady harovana no ampiana amin’izay mety ho ilainy mba hahafahany tsy mihemotra. Eto amintsika dia ny lalàna kokoa no ampiasaina satria heloka ny tsy fijoroana vavolombelona. Na izany aza dia tokony mandeha ho azy ho an’ny olom-pirenena ny fanaovana izany satria mahazo vahana hatrany ny olon-dratsy raha toa ka tsy misy sahy ny mijoro ho vavolombelona amin’izay ataony.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici