- Publicité -
samedi, février 14, 2026
AccueilFaits-DiversMiaramandro-Betsiboka : Rongony 52 fototra saron'ireo Zandary

Miaramandro-Betsiboka : Rongony 52 fototra saron’ireo Zandary

Anisan’ny fototry ny tsy fandriampahalemana ny fanapariahana sy fidorohana rongony, nisy araka izany ny fidinana ifotony nataon’ireo Zandary miasa amin’ny Zana-tobim-paritra Betaimboay, taorin’ny fahazoam-baovao tamin’ny olona tsara sitra-po momba ny fisian’ny fambolena rongony, tao amin’ny toerana tao hoe: Miaramandro, fokontany Betaimboraka, any amin’ny kaominina ambanivohitra Betaimboay, disitrikan’i Kandreho, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny andron’ny 3 febroary taona 2026 teo lasa teo iny. Hita sy voamarina tokoa ny fisian’ny zava-maniry rongony 52 fototra sy zanaka rongony an-jatony efa vonona hambolena, izay nafenina tao anaty saha katsaka, nandritra fizahana nataon’ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ireo lehiben’ny fokontany sy ny fokonolona tany an-toerana.Tsara homarihina fa mahatratra iray hektara eo ho eo ny velaran-tany novolena, ity vokatra tsy ara-dalàna ity. Taorin’izay dia niroso tamin’ny fisamborana ireo olona mpamatsy zanaka rongony ho volena sy zezika rongony sy ny mpivady roa miandraikitra ny fambolena sy fikarakarana ireo rongony ny mpitandro ny filaminana mba hanokafana fanadihadiana amin’izao tsy fanaran-dalàna, nataon’izy ireo izao. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa ny andron’ny 10 Febroary taona 2026 teo, tokony tamin’ny 10 ora maraina mahery 20 minitra, raha ny angom-baovao azonay avy any an-toerana hatrany dia nongotana sy nodorana ireo rongony ireo no hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela, aorian’ny fanadihadiana ataon’ny Zandary ireo olona voasambotra amin’ity raharaha ity.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter