- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsahabe : Miaramila « déserteur » lasa mpanendaka

Antsahabe : Miaramila « déserteur » lasa mpanendaka

Antsibe no ampiasainy ary manendaka etsy sy eroa. Nataon’ny polisy miandraikitra ny boriborintany faharoa ny vela-pandrika rehefa nisy ny fitarainana mahakasika ny sinto-mahery. Voasambotra ilay lehilahy niaraka tamin’ny zava-maranitra fampiasany. Nandritra ny fanadihadiana no fantatra fa miaramila nitsoaka an-daharana, na koa nitsoaka ny toby nisy azy ary tsy niverina intsony, io lasa mpanendaka io. Natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika. Raha ny tokony ho izy dia azo enjehina amin’ny lalàna ny miaramila nitsoaka an-daharana ary tena saziana mafy araka ny fitsaràna miaramila ary koa ny fitsaràna. Mety mbola hitombo araka izany ny vesatra mianjady amin’ity mpanendaka ity raha harahin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ny raharaha momba azy. Loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina hatrany ny olona toy izao, satria efa nahazo fiofanana miaramila izany izy no nivadika ho olon-dratsy. Ny dikan’ny hoe nahazo fiofanana miaramila dia azo heverina ho olona mahay mampiasa fitaovam-piadiana, mahay miady ary indrindra koa afaka mamono ny fahavalony raha ilaina izany. Ny fahavalony anefa eto dia ny olon-tsotra izay sendra azy amin’ny harivariva sy amin’ny alina ary ampiasany ny sabatra eny an-tanany. Saro-pady ny fiofanana miaramila ary tena zava-doza raha ny olon-dratsy no lasa mahafehy ny zavatra norantovina tao. Indrindra koa amin’izao vanim-potoana iparitahan’ny basy sy ny basy vita gasy izao. Etsy ankilan’izany, tsapa koa fa miparitaka, satria mora loatra ny mahazo zava-maranitra hatao fitaovam-piadiana amin’izao fotoana. Feno mpanao vy isaky ny kartie ary tsy misy lalàna mandrara ny fanaovan’izy ireo sabatra. Io fitaovam-piadiana io anefa no tena ampiasain’ny mpanendaka eto an-drenivohitra ary manavanana azy ireo. Efa ela ihany ny soso-kevitra no naroso ny amin’ny tokony hanisiana lalàna mahakasika ny fanamboarana zava-maranitra mba ho antoky ny filaminam-bahoaka. Toa mbola tsy any mihitsy aloha angamba ny laharam-pahamehana hatreto.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici