- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMiaramila matin’ny dahalo : Nomena gradina « sergent » i Kapôraly Fredo

Miaramila matin’ny dahalo : Nomena gradina « sergent » i Kapôraly Fredo

Araka ny baiko ara-taratasy laharana 024/1RM3 ny 19 jona lasa teo noho ilay baiko ny etamazaoro ny tafika ny 18 jona 2018, dia namita hiraka momba ny fametrahana filaminam-bahoaka noho ny asa ratsin’ireo andian-dahalo tany Alaotra-Mangoro ny kaporaly Dopy Fredo. Ny talata 07 aogositra teo anefa dia nisy asan-dahalo tao amin’ny kaominina Ambakireny ao amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna, ka lasa tamin’izany ny omby manodidina ny 186 isa tao Ambakireny.

Noho ny andro alina anefa dia ny alarobia 08 aogositra vao nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny miaramila, nandritra izay anefa dia efa tafiditra tao Bemololo Tanàna mampisaraka ny faritra alaotra-mangoro sy ny faritra betsiboka ireto andian-dahalo miisa 35 lahy sy ireo omby avy nangalarin’izy ireo. Tao anefa dia nifanena tamin’ireo mpiandry omby teny an-tsaha koa ireto dahalo ka nanapoaka basy nikasa hangalatra ny ombin’ireton tantsaha ireto; teo anefa no nifanehitra tamin’ireto fokonolona nanara-dia azy ireto dahalo ka raikitra ny fifampitifirana izay nahalavo dahalo 05 ary niteraka ny fitsoahan’izy ireo, tavela tamin’izany ireo omby avy nangalarin’izy ireo. Tanàna isan’ny mafana amin’ny asan-dahalo anefa i Bemololo, ka raha somary variana ireto andiana fokonolona sy ireto miaramila mifanampy amin’izy ireo, dia nisy andiana dahalo hafa kosa nipoitra nitifitra azy ireo teo no nahafaty an’ny kaporaly Dopy Fredo 35 taona teo amin’ny lohany, sy nandratra miaramila roa izay mitsabo tena eo anivon’ny hopitalin’Ambatondrazaka.

Na mafy aza ny fifampitifirana teo amin’izy ireo faharoa izao dia mbola tavela sy tafaverina ihany ny omby 164 tamin’ireo nangalarin’ny dahalo ireo. “Tsy misy sisin-tany ny fametrahana filaminam-bahoaka, fa raha milatsaka ny baiko dia tsy maintsy manompo ny vahoaka sy ny tanindrazana ny miaramila”, araka ny nambaran’ny jeneraly Raveloson Romel komandin’ny rezimanta faritany miaramila fahatelo eto Toamasina. Mpiasa teo anivon’ity rezimanta ity mantsy ny kaporaly Dopy Fredo izao voatery niasa tany Tsaratanàna izao na faritra alaotra-mangoro aza ny hiraka azony noho ireo fokontany sy ny kaominina misy ireo asan-dahalo mifanila ary lavitra ihany koa ny avy any Mahajanga raha hiazo an’i Tsaratanàna noho avy aty amin’ny faritra Alaotra-Mangoro.

Ankoatra izay dia 12 taona sy 07 andro no naha-miaramila an’ny kaporaly Dopy Fredo izao maty am-perinasa izao; ka izay no antony nanondrotana azy ho grady serza sy nahazoany mari-boninahim-pirenena “chevalier de l’ordre nationale”. Namela mananontena sy zaza iray ity miaramila ity izay nentina niazo ny tanindrazany any Vangaindrano ny zoma maraina teo taorian’ny lanonana ara-miaramila na tao Antanambao Manampotsy aza ny kaominina nahaterahany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici