
Anisan’ny trangan-javatra nanaratsy endrika ny Tafika malagasy tokoa ny zava-niseho tato ho ato izay. Ankoatra ireo miaramila voarohirohy amin’ny resaka herisetra tsy amin’ny antony, toy izay nitranga tany Belo Tsiribihina ny sabotsy lasa teo, dia manginy fotsiny ireo manamboninahitra ambony voasaringotra amin’ny resaka fanakorotanana sy fanonganam-panjakana. Hentitra dia hentitra araka izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, raha nandray fitenenana nandritra ny fananganan-tsaina teny amin’ny birao fiasany mahakasika ireo toe-javatra ireo. Tsy azo ekena velively hoy izy ny toy izany, ary tsy maintsy handraisana fepetra henjana, izay mifandraika amin’ny lalana velona misy sy ny fitsipika ara-miaramila. Tsy hijerena tavan’olona ny fampiharana izany, hoy hatrany izy na laharam-boninahitra fa rehefa mihoam-pefy dia tsy maintsy saziana. “Izay rehetra miompefy dia ampidirina amin’ny fitsarana misahana ny heloka be vava sy fitsarana miaramila izay efa tafatsangana ankehitriny. Raha sanatria ka misy fandraisana anjara amin’ny zava-misy ankehitriny dia anisan’ny sazy azo ampiharina ny fampidinana laharam-boninahitra na koa ny fandroahana hiala amin’ny Foloalindahy ankoatra ny sazy araka ny lalàna. Namafisiny fa mila sahy mandray andraikitra hatrany satria tsy anjaran’olona tokana izany fa samy tompon’andraikitra amin’ny asa sy ny fitondran-tenenany eo imason’ny fitondram-panjaka sy ny vahoaka Malagasy ary koa ny fitsarana ny tsirairay” hoy hatrany ity tompon’andraikitra ambony ity.
m. L