Tsy nohamaivanin’ny lehiben’ny fibaikona miaramila eto amintsika ilay raharaha nitranga tao amin’ny toby miaramila 315 Vavatenina iray volana lasa izay, izay nampiharan’ireto andiana miaramila sy ilay lietna lehibeny daroka sy nandratra mafy olona roa dia i Debon Dobo izay mponina ao Mahatsinjo Maromitety Vavatenina, noho resaka tany izay efa namidy ara-dalana ary efa namoahan’ny fitsarana didy raikitra ihany koa. Nisy mihintsy ny fihaonana nataon’ity lehiben’ny fibaikona ity tamin’ireo roa lahy voadaroka sy naratra mafy ary voatery notsaboina teo anivon’ny hopitaly be noho izy ireo nivalan-drano rà mihintsy. Tao amin’ny distrikan’i Vavatenina no natao ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Taorian’izay dia sazy avy hatrany no nivoaka ho an’ireo miaramila ny toby 315 ireto sy ny lehibeny dia ny lietna Njaka tamin’ny famindran-toerana ara-tsazy, sy ny fanovana fifonana imaso teo amin’izy ireo sy ireo olona roa nodarohany sy nampiharany ny fampijaliana feno habibiana. Nohamafisin’ity lehiben’ny fibaikona miaramila avy eto Antananarivo nanao hiraka manokana ity, fa tsy andeferan’ny tafika izany miaramila mampahory sy mampijaly vahoaka izany ; natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny tanindrazana ny tafika, ka tsy azo ekena ity tandroka aro ny vonona indray no lasa ho olan’ny vahoaka.
Malala Didier