- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiaramila sandoka : Nidoboka eny Tsiafahy

Miaramila sandoka : Nidoboka eny Tsiafahy

Natolotra ny fampanoana ilay sivily izay misandoka ho komandà eo anivon’ny Tafika. Nidoboka eny Tsiafahy mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha tsiahivina dia voasambotry ny zandary tetsy Ambohimalaza ilay rangahy rehefa nokarohina hatry ny ela. Hampiasainy amin’ny fisolokiana ilay fisandohana ho manam-boninahitra. Olona maro no nitory azy ary niafina hatrany izy saingy tratra ihany nony farany rehefa nisy ny fampitam-baovao avy amin’olon-tsotra. Miaramila tena izy ny tenany tany aloha tany saingy efa voaroaka ary nidoboka am-ponja indroa miantoana noho ny asa fisolokiana hatrany. Mbola nahitàna fanamiana miaramila, galona ary fitaovana hafa maha-miaramila tao amin’ny trano nipetrahany nandritry ny fotoana izay nisamborana azy. Nogiazana avokoa izany ary notazomina ho porofo eny amin’ny fitsaràna. Fanindroany izay no nahitàna tranga toa izao teny amin’iny manodidina an’Ambohimalaza iny ary tena mitovy hatrany ny fomba fiadin’ireo mpisoloky. Soa fa efa samy voasambotry ny zandary avokoa ireo ary efa samy nidoboka am-ponja.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici