- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiaramila sandoka : Voasambotra ireo mpamatsy fanamiana sy galona

Miaramila sandoka : Voasambotra ireo mpamatsy fanamiana sy galona

Nahafeno fiara iray mihitsy ireo karazam-panamian’ny mpitandro filaminana hita tao amin’ireto mpanjaitra ireto.

Fanamian’ny mpitandro filaminana amin’ny « paquet » maromaro mihitsy no sarona tao amin’ireto olona ireto. Tazana tao anatin’ireto ireo karazany rehetra fentin’ireto mpitandro filaminana. Manomboka any ny « Képi » sy « Beret » ka hatrany amin’ny galona isan-karazany. Izy ireto, raha ny fampahafantarana nataon’ny zandary, no mpamatsy ilay miaramila sandoka, raindahiny amin’ny fisolokiana olona, voasambotra ny 7 martsa lasa teo.

Vokatra goavana tokoa no azon’ny teo anivon’ny tobim-paritry ny zandary tao Ambohimalaza. Rehefa tsy nianona fotsiny tamin’ny fisamborana ilay mpitandro filaminana  sandoka milaza ho mahavita mampiditra ho mpiasa eo anivon’ny primatiora izy ireo fa nanohy hatrany ny famotorana, ahafantarana ireo loharano niavian’ireo fanamaniana miaramila teny an-koditr’ity mpisoloky ity. Tsy mora ny fikarohana azy ireo, hoy ny fanazavana azo, voatery nitety sy nivezivezy teto an-drenivohitra izahay, saingy izao nahitàm-bokany izao. Niainga tamin’ny fisamborana ilay nividianan’ity miaramila sandoka ireo fanamiana ny famotorana ary niafara tamin’ny fahafantarana sy fahatratrarana ireo mpanjaitra. Ankoatr ilay mpisoloky sy ny sakaizany voasambotra tamin’io andro io, araka izany, dia niampy olona roa hafa indray no voapaingotry ny zandary avy ao Ambohimalaza. Fanjairana sy ny fivarotana fanamiana an’ny Tafika tsy nahazoana alalàna moa no nanenjehana azy ireo ary nogiazana avokoa ireo entana, fanamiana sy ireo fitaovana fampaisan’izy ireo tamin’izany.

Marihina fa efa nentina teo anivon’ny Fampanoavana ireto olona ireto, na ilay mpisoloky raindahiny na ireo mpanome fanamiana azy. Nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy ilay miaramila sandoka, ary notazomina tetsy amin’ny fonjan’Antanimora kosa ireo telo ambiny, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici