- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversMiaramila voatifitra : Nentina niakatra aty an-drenivohitra tamin’ny angidim-by

Miaramila voatifitra : Nentina niakatra aty an-drenivohitra tamin’ny angidim-by

Nitsidika azy ireo ny minisitry ny fiarovam-pirenena.

Miisa telo ny miaramila voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tany Antsahatapaka, fokontany izay ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahajeby, distrikan’i Fenoarivobe. Naratra mafy izy ireo satria mafy ny fifampitifirana tao anaty kizo izay hain’ny dahalo tsianjery. Ny zoma lasa teo no niseho ny fifandonana. Ny ampitson’iny no tonga tany an-toerana ny angidim-by vaovao an’ny Tafika Malagasy ary nitatitra ny marary niakatra aty an-drenivohitra. Nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana izy ireo mba ho fitsaboana azy. Raha araka ny tatitry ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena dia tsy misy ahiana ny ain’izy ireo ary ary efa mandeha tsara ny fitsaboana. Nandalo teny an-toerana ny minisitra tompon’andraikitra namangy sy nankahery ireo miaramila naratra izay nanao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fampanjakana ny ny fandriam-pahalemana. Maro ny mpitandro ny filaminana izay lavo an’ady any ambanivolo any. Ny antony dia matetika mihodina eo amin’ny toe-javatra roa. Ny voalohany dia ny fahafantaran’ny dahalo bebe kokoa ny toerana noho izy ireo. Hain’ny olon-dratsy tsianjery ny momba ny kizo sy ny zohy ary izay mety ho toerana fierena satria any an-taniny. Matetika arak’izany no sahirana ny mpitandro ny filaminana ary voahodidina ao anatin’ny fotoana fohy ka tafiditra anaty fandrika. Eo no ilaina ny teknolojia toa ny “drone” mba hahafahana mamaritra ny lalan-kizorana. Indrisy aloha fa mbola tsy tanteraka izany ary mandeha an-jambany ireo mpitandro ny filaminana. Antony faharoa indray dia ny fananan’ny dahalo fitaovam-piadiana izay mahery vaika. Ankoatry ny hamaroan’izy ireo an’isa noho ny mpanenjika azy, mbola manana karazam-basy koa ny dahalo fa tsy nijanona tamin’ny basim-borona ireny toa ny taloha intsony. Tsy mahagaga raha sahy manohitra izy ireo rehefa any anaty akata any…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici