Tsy an-tanàn-dehibe, tsy an-drenivohitra fa tena manjaka ny asan-jiolahy. Jiolahy 10 nirongo basy no nandrava tanàna iray tany Miarinarivo, ny alarobia alina lasa teo. Vola mahery ny 6 tapitrisa ariary no lasan’izy ireo, niaraka tamina firavaka volamena sy entana maromaro. Nihorohoro ny mponina tao amin’ny tananan’i Mandiavato, ny alin’ny voalohany volana aprily lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any mantsy, nanakoako eran’ny tanàna ny feom-basy. Andian-jiolahy maromaro no tonga avy any. Basim-borona sy basy vita gasy no nentin’izy ireo niaraka tamin’ny zava-maranitra. Trano sy toeram-pivarotana maromaro no indray nasesin’ireto olon-dratsy ireto, raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary. Na dia teo aza anefa ny herisetra nasehon’ireo olon-dratsy, tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Fa ny zavatra sarobidy sy vola aloha dia najifa tanteraka. Vola mitentina eo amin’ny 6 tapitrisa ariary teo ho eo no azon’izy ireo, niaraka tamin’ny firavaka volamena marobe ary izay entana sarobidy zakan’izy ireo. Tsy nisy azon’ireo fokonolona natao ary, fa dia nanarampo tokoa ireto jiolahy. Fotoana vitsy taorian’izay no tonga ny zandary saingy efa taim-bala sy fitaovam-piadiana hadino teo an-toerana sisa no tratran’izy ireo. Mandeha ny fanadihadiana sy ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Fantatra mantsy fa niakandrefana ny lalan’izy ireo. Ary inoana fa hisy valiny tsy ho ela, fa dia miraviravy tanana tokoa mantsy ireo mponina any amin’iny faritra iny.
m.L