- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Fanafihan-jiolahy mahery vaika, olona iray voatifitra, 45 tapitrisa no very

Miarinarivo : Fanafihan-jiolahy mahery vaika, olona iray voatifitra, 45 tapitrisa no very

Ny faran’ny herinandro lasa teo, tokantrano efatra no indray nasesin’ireo olon-dratsy mitam-piadina, tao Miarinarivo. Vokany, tovolahy iray no naratra mafy voatifitra ary mitentina any amin’ny 45 tapitrisa ariary any kosa ny teti-bidin’ireo entana sy vola lasan’ireo tsy mataho-tody. Miana ao anaty tebiteby tanteraka ny mponina any amin’iny faritra Itasy iny. Manao ny ataony indray mantsy ireo jiolahy indrindra fa ny ao Miarinarivo. Nirefodrefotra ny basy tao Mandiavato, ny sabotsy alina lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana, folo lahy nirongo fitaovam-piadina no indray nanafika tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ireo olona teo anatrehan’izany, ary dia nanaram-po tamin’ny fandrobana ireo olon-dratsy. Tokatrano efatra no avy hatrany dia notilian’izy ireo, izay nahazoany vola 10 tapitrisa, 1 tapitrisa mahery ary 30 tapitrisa ariary. Manginy fotsiny ny firavaka volamena maromaro, lasa tamin’izany fanafihana mahery vaika izany. Raha ny fanazavana azo hatrany dia amin’ny alalan’ny fidirana amboletra ary fandrahonana ireo tompon-trano no tetik’adin’izy ireo. Tamin’iretsy niharan’ny fanafihana, nisy tovolahy iray, manodidina ny 25 taona any ho any niantefan’ny balan’ireo olon-dratsy. Tsy nisy azo’ireo fokonolona natao moa raha tsy avy nahavita ny asa ratsiny izy ireo. Teo vao afaka niantso zandary ary nitondra ny maratra tany amin’ny toeram-pitsaboana. Efa mandeha ny fikarohana sy fanadihadiana, araka ny fampahafantarana hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser