- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Fiaramanidina nitondra amerikana, voatery nidina an-tanety

Miarinarivo : Fiaramanidina nitondra amerikana, voatery nidina an-tanety

Noho ny olana ara-mekanika no antony tsy maintsy nipetrahan’ny fiaramanidina kely iray ATR, tetsy Miarinarivo-Ampefy. Vao maraina tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany omaly, no nitrangan’izany. Raha araka ny vaovao nampitain’ny mpitandro ny filaminana, dia olona telo no tao anatiny. Ny mpanamory, mazava hoazy, ary koa ny olona roa izay nentiny. Ireo farany dia mpivady, teratany Amerikana. Tsy nisy naninona ireo olona, tsy naratra na namoy aina, raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana hatrany. Azo lazaina ho tsara vintana ihany izy ireo raha oharina amin’ny fahavoazan’ny fiaramanidina nitondra azy ; izay nivadika ambony ambany tanteraka. Betsaka ny loza aterak’itony fiaramanidina kely itony. Vao tamin’ny volana lasa teo no nisy iray nitrosona ihany koa teo amin’ny Aérodrome teo Antalaha, rehefa nisy olana ara-teknika hatrany. Betsaka ny loza aterak’izy ireny eto amintsika, saingy mba tsara vintana hatrany ny ankamaroan’ny mpitaingina ka tsy niafara tamin’ny fahafatesana. Mila fanaraha-maso tanteraka arak’izany alohan’ny hanomezan-dalana hiasa ireny fitaovana ireny, satria ain’olona no lalaovina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici