Ny talata lasa teo no nisehoan’ny fifamaliana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Anosibe Ifanja. Olona roa lahy no nanana olana ka nifamaly, niakatra avo ny tsy fifakanzahoan-kevitra ka niafara tamin’ny fandraisana vato teo amin’ny amin’ny ankilany ary nitoraka izany teo amin’ny tratrany ilay iray. Sady mafy no somary akaiky ny fiantraikan’izany nitarika fahafatesana ho an’ilay lehilahy iray. Efa natao ihany ny fiala-nenina tao amin’ny CSBII tao Anosibe Ifanja saingy tsy tana intsony ny ainy.
Nanao ny fizahana ny razana moa ny dokotera ka nanolotra izany tamin’ny fianakaviany fa ilay nahavanon-doza kosa tonga dia nosamborina avy hatrany mba hanaovana ny famotorana, ny Poste Avancé ao Analavory moa no misahana ny raharaha.
ALEM