- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Jiolahy efatra nampihorohoro voasambotra

Miarinarivo : Jiolahy efatra nampihorohoro voasambotra

Taona maromaro lasa no efa nampihorohoro ny faritr’i Manalalondo sy Mirafangady ny andian-jiolahy izay voalaza fa atahoran’ny mponina mihitsy. Farany, tratra ihany ny efatra tamin’izy ireo rehefa nanao ny asany ny mpitandro filaminana. Ny marina kokoa, sahy nampandre ny zandary avy ao amin’ny « Groupe d’Appui Police Judicière » ny olona taty aoriana ka avy tamin’izany no nahavosambotra azy ireo. Tamin’ny faha-19 mey teo, nisy olona tsara sitrapo nanome vaovao ny mpitandro filaminana. Nisy fanafihana tsy ela tao Manalalondo ary latsaka tao amin’ny trano norobainy ny karatry ny iray tamin’ireo jiolahy. Tsy nisy mihitsy anefa sahy nanambara izany satria dia mahery vaika ny fampihorohoroana avy amin’ireo mpandroba. Matahotra ny rehetra soa may trano, voavono sy iharan’ny valy faty hafa.

Rehefa tratra izy efatra ireo dia nampangaina ho nandoro trano, nangalatra omby, nisoloky sy zavatra maro hafa. Manamarina izany ny nahatratrarana omby tsy nisy taratasy tany amin’ny trano fonenan’izy ireo tamin’ny fisavana natao. Nirohatra nametraka fitoriana ny olona marobe tsy sahy nitory hatrizay rehefa nahita fa hay mba misy ihany ny atahoran’ireto jiolahy ireto. Efa misy fanadihadiana misokatra amin’izao fotoana izao hamongorana ny asa ratsin’ireo mpangalatra ireo, hoy hatrany ny vaovao.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici