Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray, tany Miarinarivo Itasy, ny talata lasa teo. Kamiao Mercedes Benz iray avy ao Miarinarivo ho any Mahasolo no voalaza fa nivarina tany amin’ny hantsana ka nahafaty olona roa teo no eo. Tao Manaingazipo, PK 08+800, fokontany Ankonabe, Kaominina ambanivohitra Analavory, manodidina ny tamin’ny 8 ora alina tany ho any no nitrangan’ny loza. Olona roa hafa ihany koa no naratra mafy vokatr’izany ankoatra an’ireo izay maty. Marihina ihany koa, fa nitsoaka avy hatrany ny mpamily an’ilay kamiao taorian’ny loza. Ny fokonolona nanatri-maso ny loza no nitatitra ireo naratra teny amin’ny hopitaly Itasy kosa ary teny amin’ny tranompaty ny maty. Efa tonga teny an-toerana nanao ny « constat » ihany koa ny polisy ao Analavory ary efa eo am-pelatanan’izy ireo ny raharaha. Misokatra arak’izany ny fanadihadiana ary efa mandeha ny famotorana.
Niony H.