- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Kamiô mpanangom-bokatra voatafika, olona roa maty voatifitra

Miarinarivo : Kamiô mpanangom-bokatra voatafika, olona roa maty voatifitra

Miverina indray ny fanakan-dàlana. Kamiô lehibe iray, an’ny orinasa iray mpikirakira momba ny voankazo, eny Tanjombato no notafihana jiolahy nirongo basy, teo amin’ny tanana antsoina hoe Moraranokely, Miarinarivo, 10km miala an’Igarabe, omaly. Lalan-tany efa tsy dia miasa intsony, mitondra mankany Soavinandriana. Ambonin’ireo vola mitentina eo amin’ny valo tapitrisa ariary eo ho eo, dia olona roa tao amin’ilay fiarabe no lavon’ny balan’ireo olon-dratsy, iray hafa naratra mafy. Araka ny fantatra dia niainga avy aty Andrenivohitra, saika handeha hanatitra vola, karaman’ny mpiasa ity fiara ity no izao sendra ny patsa iray tsy omby vava izao, andro efa mazava, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo . Somary ratsiratsy ny làlana ary anaty kizo tanteraka, satria dia tsy misy afa-tsy ala ny andaniny roa. Teo amin’izay tsy nahafan’ilay fiara izay mihitsy no nipoitra avy any ireo olon-dratsy. Tsy nisy alaharo alaharo, fa avy hatrany dia ny basy teny an-tànan’izy ireo no niresaka. Tifitra variraraka no avy dia niantefa teny amin’ilay fiara. Vao nahita izany ireo mpanaraka an’ilay fiara roalahy, dia nivoaka ny fiara ary nitsoaka. Tsy lasa lavitra anefa. Niantefa teny amin’izy ireo avy hatrany ny bala, ka nandavo azy ireo. Nijininika ny rà. Namoy ny ainy teo ho noho eo, rehefa voa teo amin’ny fony sy ny teo amin’ny lohany. Naratra mafy kosa ny mpamily, izay voan’ny bala nanandrify ny lohany. Rehefa samy tsy nisy tafahetsika intsony ireo olona, nanararaotra naka izay zakany tao anatin’ilay fiara amin’izay ireo olon-dratsy, ka anisany ny kitapo nisy ny volabe. Rifatra nitsoaka izy ireo  raha vao vita ny asa ratsiny. Olona sendra nandalo tamin’io làlana io no nahatsikaritra an’ity fiarabe, nijanona am-povoan-dalana. Nahita ny rà tamin’ny tany sy ny fiara loakan’ny bala no nampandre haingana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Raha ny loharanom-baovao hatrany, dia fotoana elaela taty aoriana vao tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Ary na niezaka nanao savahao ny toerana aza, dia efa nadio ny rano nitan’ireo olon-dratsy. Tombanan’ireo zandary, ho olon-dratsy efa nanaraka an’ity fiara ity avy aty Antananarivo ihany ireo jiolahy ireo. Raha ny filazan’ireo zandary any an-toerana, dia tsy mbola nisy an’izany tamin’iny làlana iny. Misokatra ny fanadihadiana. Efa nomena ireo havany kosa ireo namoy ny ainy. Nampakarina taty  Andrenivohitra kosa ilay mpamily naratra mafy, notsaboina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici