Jiolahy efatra nitondra famaky sy antsy lava no tonga nanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Imady, distrika Miarinarivo. Ny maraim-ben’ny asabotsy tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina no nisehoan’ity asan-jiolahy ity. Lasa ny vola mitentina fito tapitrisa ariary raha araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Nampiasa herisetra ny jiolahy ary isan’ny naratra mafy tamin’izany ny raim-pianakaviana tao amin’ilay tokatrano. Vaky nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky ny lohany. Novonjena faran’izay maika tany amin’ny toeram-pitsaboana io rangahy io vao lasa ny jiolahy nanafika azy. Avotra ihany ny ainy raha araka ny vaovao nampitaina taminay.
D.R