Ingahy R. mpisera taolam-paty no voasambotry ny zandary tao Miarinarivo ny faran’ny herinandro lasa teo, tao an-tokantranony. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary tany an-toerana dia nisy loharanom-baovao azon’izy ireo mahakasika lehilahy iray efa malaza ratsy fa mpivarotra sy mpandray taolam-paty tao Ambohitandindona, fokontany Sarobaratra, distrikan’i Miarinarivo. Napetraka avokoa ny paik’ady rehetra ary rehefa azo ny fahazoana alalàna dia niroso tamin’ny fisavàna ny tranon’Ingahy ireo mpitandro filaminana. Tamin’izany tokoa no nahitàna taolan-dava miisa 60 tra-tehaka tao an-tokantranony. Milanja eo amin’ny 60 kilao eo ho eo no totalin’izy ireo rehefa nolanjaina, hoy ny fanazavàna azo. Nosamborina teo no ho eo moa ity mpibizina taolam-paty ity, nentina natao famotorana, hamantarana ny niavin’ireto taolambalo ireto : ireo olona nividianany izany sy izay olona kasainy hamarotana azy. Aorian’izay no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ingahirainy. Hatreto tokoa dia mbola mampametra-panontaniana ny maro ny antony ilàna ny taolam-paty, ary iza avy ireo olona mila azy. Voalaza mantsy fa sahy mividy lafo dia lafo ireto farany. Nambaran’ny sasany tamin’ireo mpangalatra kely voasambotra mantsy fa hoe mety mahatratra hatrany amin’ny folo tapitrisa ariary ny kilaon’izany taolam-paty izany, ka izay indrindra no manosika azy ireo hanao ny asa ratsiny, hanimbazimba ny maty, tsy handry am-piadanana intsony.
m.L