Namono olona indray iny lalam-pirenena voalohany iny, ny alahady fetin’ny ray lasa teo. Raim-pianakavina iray, nandeha bisikleta, nizotra niankandrefana iny no voafaokan’ny kamiôbe iray, teo amin’ny telo kilaometatra tsy hiditra an’i Miarinarivo. Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana. Tetsy an-danin’izay kosa anefa, tsy nijanona akory ilay fiarabe nandona sy nahafaty olona fa mbola nanohy ny lalany ihany, araka ny fampitam-baovao azo. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro tany no niseho ny loza, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Nandeha mafy sy nirimorimo tokoa ity fiarabe ity, ary angamba tsy hitany akory ny fisian’ny loza. Mpamilina fiara hafa mantsy no niezaka nanenjika azy ary tratra teo amin’ny barazin’ny mpitandro filaminana kilaometatra vitsivitsy tany alohan’ny toerana nisian’ny loza ilay kamiô. Azo heverina araka izany fa ny vodin’ilay fiarabe no nandona ilay mpitaingina bisikleta. Voalaza rahateo ihany koa fa tao anaty fiolanana no nisehoan’ny loza. Isan’ny mampitaraina ireo mpampiasa lalana tokoa mantsy ny afitsok’ireny fiarabe ireny rehefa miditra fiolanana, satria ny ankabeazany dia sady tsy mampandre mialoha no tsy tazana akory kanefa dia mangalatra lalana any amin’ny ankavia izay tsy izy. Ambonin’izay anefa ny fandehanana mafy. Tsy mahagaga raha saika lasibatra hatrany ireo mifanena aminy. Nasaina niverina tany amin’ny toerana nisehoan’ny loza moa ity fiarabe ity, ary fantatra fa efa notazomina natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary any an-toerana ny mpamily. Nomena ny fianakaviana kosa ny vatana mangatsiak’ilay raim-pianakaviana nitaingina bisikileta, notsenain’ny rahona mainty tao anatin’ny fetiny mihitsy.
m.L