Ny alakamisy hariva teo no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny tribonaly Miarinarivo ireo olona fito voarohirohy tamin’ny famonoana an’Itpkv Razanina, ilay vaviantitra nanjavona efa ho roa taona, ary hita faty tanaty gony tetsy Analavory ny talata lasa teo. Ao anatin’ireo olona fito ireo moa ny zanany vavy niaraka tamin’ny vinantony izay, voalaza fa isan’ny atidoha nikotrika ny famonoana an’ity vehivavy 62 taona ity. Naharitra ora maro ny fakàna am-bavany an’ireo olona voarohirohy ireto tao amin’ny tribonaly. Efa hariva be ihany vao nivoaka ny taratasy mandefa azy ireo any am-ponja, raha ny fampitam-baovao voaray. Tsiahivina fa ny voalohandohan’ny herinandro teo no fantatra tanteraka ny marina nahakasika io raharaha io, araka ny fanadihadiana sy ny famotorana nataon’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava tetsy Anosy. Tamin’izay no nahafahan’izy ireo nisambotra ny olona manodidina an’ity ramatoa ity, izay tsy iza fa ny zanany sy ny vinantony, mpanampy akaiky azy ary ireo olona mpifanandrina aminy amin’ny resaka ady tany. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy satria dia diam-pamaky efatra no teny amin’ny lohany, ary avy eo nalevina an-tsokosoko tanaty alan’akondro tany amin’iny faritra Analavory iny. Tsy misy marina tsy natao hipoitra tokoa, na ho ela na ho haingana. Any an-tranomaizina aloha izany izy fito ireto misaintsaina ny zava-bitany tamin’ity vaviantitra ity, mandra-piandry indray ny fotoam-pitsaràna azy ireo
m.L