Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika indray tamin’iny faritr’Itasy iny ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Nirefotra teo amin’ny in-telo teo ny basy. Nanao amboletra tao amin’ny tokantranona mpivarotra iray tao amin’ny tanàna, antsoina hoe Mahabo, kaominina Tianarivo, distrikan’i Miarinarivo, ny jiolahy miisa telo. Basy vita gasy no nentin’ireto malaso ireto nanafika, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana. Vehivavy iray tao amin’ity trano notafihan’ireo olon-dratsy ity no niantefan’ny balan’ireo jiolahy teo amin’ny kibony. Naratra mafy vokatr’izany ity ramatoa ity ka voatery nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny vaovao voaray hatrany dia tsy nahazo na inona na inona ireto jiolahy ireto. Vantany vao nanapoaka basy mantsy ry zareo dia nisahotaka nivoaka avokoa ireo mponina rehetra tao an-toerana. Nanararaotra niafina tao anaty olona nitsoaka ireo olon-dratsy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana hatrany, ka tsy fantatra na nankaiza na nankaiza ny dian’izy ireo. Efa eo am-pelatan’ny mpitandro filaminana any an-toerana ny raharaha ary mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L