Tsy mianona intsony amin’ny tranon’olon-tsotra ireo olon-dratsy amin’izao. Lasibatra hatramin’ny biraom-panjakana sy ny orinasa. Tao Miarinarivo tao mantsy, raha ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, dia nisy namaky ny faran’ny herinandro teo ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny hetra, niaraka tamin’ny biraon’ny tranom-piantohana Mama. Fitaovana maromaro niaraka tamin’ny vola no very tamin’io fotoana io. Heverina fa ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo nanaovan’ireo mpamaky trano izany asa ratsiny izany, satria ny marainan’ny sabotsy, no nisy nampandre ny teo anivon’ny kaomisarian’i Miarinarivo, mahakasika ity tranga ity. Vola mitentina eo amin’ny fito hetsy ariary mahery teo, niampy môtô iray no very tao amin’ny tranom-piantohana Mama, raha solosaina anankiroa kosa no lasan’ireo olon-dratsy tao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny hetra Itasy. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny pôlisy, hikarohana ireo izay mety nahavanon-doza. Andro vitsy taorian’izay, ny fiandohan’ny herinandro teo, dia hita ilay môtô very. Tovolahy telo no voasambotra niaraka tamin’izay, ary samy nentina natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo tany amin’ny biraon’ny kaomisaria avokoa. Ny talata teo no samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tany an-toerana izy telolahy ireto. “Naiditra am-ponja vonjimaika ny iray raha arahin’ny eo anivon’ny fitsarana maso akaiky kosa ny roa ambiny” hoy hatrany ny vaovao azo. Heverina fa mbola mitohy kosa ny fanadihadiana hikarohana ireo izay mety no naman’ireto mpamaky trano ireto any an-toerana, na ny olona izay nandray ireto entana halatra ireto.
m.L