- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Olona iray nalain’ny jiolahy takalon’aina

Miarinarivo : Olona iray nalain’ny jiolahy takalon’aina

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao amina tanana iray tao amin’ny kaominina Manazary, any amin’iny distrikan’i Miarinarivo iny. Fivarotana iray tao an-tanàna no lasibatra ka lasa tamin’izany ny vola mitentina eo amin’ny iray tapitrisa ariary teo ho eo, niaraka tamina entana lafo vidy isan-kazany. Tsy vitan’ireo anefa fa mbola nitondra olona iray ry zalahy. Lehilahy manodidina ny 39 taona, isan’ireo mpividy tao amin’ity fivarotana ity no nentin’ireo olon-dratsy natao takalon’aina. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo no nisehoan’ity tranga ity, ny alarobia lasa teo. Roa ambinin’ny folo lahy ireo mpanafika, raha ny tatitry ny zandary tonga taty aminay, niaraka tamin’ny basy “kalach” vita gasy sy basy poleta dimy. Nahita hirika nitsoahana ilay ramatoa, tompon’ity fivarotana ity tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo olon-dratsy, hany ka nanao izay danin’ny kibony, nibata izay zakany ireto andian-jiolahy. Tamin’ny fitsoahanan’izy ireo no nitondrany ity takalon’aina iray ity.  Rehefa hitan’izy ireo fa tsy nisy nanaraka intsony ny olona dia navotsony ihany ity farany, rehefa tafavoaka ny tanàna. Fotoana fohy taorian’izay moa no tonga ireo zandary, rehefa nampandrenesina. Nanomboka teo ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto jiolahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici