- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Pôlisy nisahana fifamoivoizana maty nodomina môtô

Miarinarivo : Pôlisy nisahana fifamoivoizana maty nodomina môtô

“Police de la route” ireny misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana ireny no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Tamin’ny 4 desambra lasa teo, tamin’ny 7 ora hariva, tamin’ny làlam-pirenena voalohany eo amin’ny PK89+300 teo amin’ny tanàna atao hoe Andohavary fokontany Ampazambazaha any Miarinarivo no niseho ny loza. Ny loharanom-baovao no nahalalàna fa nisy Scooter iray netina lehilahy nitondra vehivavy iray tao aoriana no nandona ilay pôlisy. Voalaza fa nandeha mafy tokoa ity môtô ity ary tsy azo nihodivirana ny loza. Miasa ao an-tanànan’i Miarinarivo ilay namoy ny ainy, mitondra ny galonana brigadier. Ny zandary any an-toerana no nisahana ny fijerena ifotony ity loza ity.

r.s.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser