Miaina anaty tebiteby ny mponina any amin’iny distrikan’i Miarinarivo iny. Tokantrano iray indray mantsy no lasibatry ny asan-jiolahy tao an-tokantranony, tao Anjazamanga ao amin’ny kaominina Ambatomanjaka, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Vokany, namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ireo mpanafika azy ity lehilahy ity. Araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandamariam-pirenena dia tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo ireo mpanafika no tonga tamin’ity tokantrano iray ity. Nisy enina izy ireo, izay nirongo basim-borona sy zava-maranitra, araka ny vaovao hatrany. Tsy nanaiky mora izany fandrobana azy izany anefa tetsy andanin’izay ity rangahy ity, fa niezaka ny niaro hatramin’ny farany ny fananany. Sendra ny be noho ny vitsy anefa izy teo anatrehan’ireo olon-dratsy ka lavo ihany nony ny farany. Vola manodidina ny telo alina sy enina hetsy ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Araka ny tatitra hatrany, dia avy nivarotra ny ombiny ity rangahy ity no izao tratry ny fanafihana izao. Mety ho mahafantatra tsara ny fisian’izany vola izany araka izany ireo olon-dratsy. Nisy avy hatrany moa ny fanokafana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, ary efa misy ireo olona ahiahiana ho tao ambadik’izany fanafihana miharo vono olona izany.
Fa iray andro talohan’ity nitranga tao Ambatomanjaka ity, dia nisehoana fanafihan-dahalo nivaivay ihany koa tao amin’ny kaominina Alatsinainikely, any amin’iny distrikan’i Miarinarivo iny hatrany. Fito indray no isan’ireo dahalo tamin’io fotoana io, ary saika hanafika ny tanàna. Tsy nanaiky mora anefa ireo fokonolona ka namaly. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia iray tamin’ireo mpanafika no maty. Nandositra moa ireto farany teo anatrehan’izany, tsy nahazo na inona na inona. Efa nampandrenesina ny zandary ary raikitra teo avy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy ireto miaraka amin’ny fokonolona.
m.L