- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Tanimbolin-drongony saron’ny zandary

Miarinarivo : Tanimbolin-drongony saron’ny zandary

Anankiroa no tompon’ny tany, ary ny mahazendana kely ihany dia efa samy nahazo taona sy voky andro avokoa izy ireo satria ny zokiny indrindra dia efa mananiky ny 70 taona. Tsy legioma sy anana no nimatimatesan’izy ireo fa voly … rongony ! Tranga niseho tao Falimanarivo, ao amin’ny kaominina Manazary, distrikan’i Miarinarivo Itasy. Araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary dia rongony nahatratra hatrany amin’ny 120 fototra no hita teo an-tanimbolin’izy roa lahy mianaka ireto. Raha ny voalazan’ireo mpitandro filaminana hatrany mantsy dia nisy ny fanomezam-baovao azon’izy ireo mahakasika ny fisian’ity tanimbolin-drongony ity. Nidina ifotony avy hatrany ireo zandary, ny alatsinainy lasa teo ary dia hita teo tokoa ny nafenina. Maitso mavana ery ! Tsy nisy alaharo alaharo moa fa avy hatrany dia nongotana hatramin’ny fakany ireto rongony naniry ireto. “Ny Zandarimaria dia manentana fa isan’ny manimba ireo tanora ny fidorohana rongony ary mahabetsaka ireo karazana fandikan-dalàna ka tsy maintsy sorohina” hoy hatrany izy ireo. Tetsy andanin’izay, nosamborina avy hatrany izy roa lahy aty nentina natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Raha izao zava-misy izao tokoa mantsy sy ny habetsaky ny “volin’izy ireo” dia mety ho efa zava-panaony izao fambolena hafakely izao. Mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka araka izany ireo mpitandro filaminana. Ireto farany moa izay tsy mitsahatra hatrany ny manentana ny tsirairay hanome vaovao mari-pototra azy ireo ahafahana misoroka hatrany asa ratsy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici