- Publicité SW45 -
mercredi, mars 19, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Taxi-brousse nifandona tamina 4x4, niharan-doza ny Lehiben’ny faritra Itasy

Miarinarivo : Taxi-brousse nifandona tamina 4×4, niharan-doza ny Lehiben’ny faritra Itasy

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, omaly. Fiara tsy mataho-dalàna, an’ny faritra Itasy no nifandona tamina taxi-brousse iray. Vokany olona iray no namoy ny ainy, am-polony maro kosa ireo naratra, ary anisan’izany ny Lehiben’ny faritra Itasy, izay nitondra ilay 4×4. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo no nitranga ny loza, teo amin’ny kilaometatra vitsivitsy, miala an’I Miarinarivo, teo amin’ny toerana antsoina hoe Amboalefoka.  Handeha hiakatra aty Andrenivohitra avy namonjy fivoriana tao Ampefy ny Lehiben’ny faritra. Handeha hiakandrefana kosa ilay taxi-brousse. Teo amin’ny fiolahana tamin’iny làlam-pirenena iny anefa, somary nangalatra ilay taxi-brousse raha ny filazan’ireo nanatri-maso, ary dia nifatratra avy hatrany tany amin’ilay fiara tsy mataho-dalana. Samy potika avokoa ny lohan’ireo fiara roa, ary nivoaka ny làlana mihitsy noho ny hamafin’ny fifandonana. Maty tsy tra-drano vokatry ny loza ny olona iray nipetraka teo akaikin’ny mpamily tao anatin’ilay taxi-brousse. Mpandeha 16 kosa no naratra. Olona efatra no tao anatin’ilay fiaran’ny faritra Itasy, raha ny fanazavana azo hatrany, izay samy naratra avokoa. Nisy tamin’ireo naratra no nentina tao amin’ny hôpitaly Miarinarivo, ny hafa kosa nentina niakatra taty Andrenivohitra. Isan’izany Ingahy Lehiben’ny faritra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici