- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Tokantrano notafihana jiolahy, olona iray maty voatifitra

Miarinarivo : Tokantrano notafihana jiolahy, olona iray maty voatifitra

Ny zoma alina lasa teo, tokatranona mpamboly iray indray no notafihina enin-dahy mirongo basy vita gasy, tao Ampasamanatongotra, Miarinarivo. Vokany, tovolahy iray no maty voatifitr’ireo olon-dratsy. Vola manodidina ny 6 tapitrisa ariary kosa no lasan’ireto farany, niampy entana sarobidy maromaro. Vao tonga teo amin’ilay tanàna ireo olon-dratsy, avy hatrany dia ny basy no nasainy niresaka. Na izany aza anefa nirohotra namonjy ny fokonolona. Tamin’izany no nahavoa ity tovolahy vao 20 taona monja. Niantefa teo amin’ny lohany ny bala ary maty tsy tra-drano ny lehilahy. Nahita izany ireo fokonolona avy hatrany dia nihemotra. Nanararaotra kosa ireto jiolahy ary nitsoaka avy eo. Tonga kely taorian’izay ireo mpitandro filaminana saingy tafaporitsaka ihany ireo jiolahy. Mitohy ny fikarohana azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici