Jiolahy nitam-piadiana efatra nanafika tokantranona mpandraharaha iray tao amin’ny Fokontany Imazy, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Analavory, Distrikan’i Miarinarivo Itasy, no tra-tehaky ny Zandary miasa ao amin’ny Zanatobim-paritra Analavory. Raha ny vaovao voaray, ny alin’ny 17 jona teo no voatafika ity mpanangom-bokatra, saingy tsy tao an-tranony ilay raim-pianakaviana, fa ramatoa vadiny sy ny mpanampiny no tratran’ ireo jiolahy tao. Voaambana basy ny iray trano ka tsy afa-nihetsika, tsy afaka niantso vonjy. Taorian’izay, dia noteren’ireo jiolahy hamoaka ny vola rehetra tao an-trano ramatoa, ka lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny 10 tapitrisa ariary niampy firavaka volamena maromaro sy finday telo. Raha vao nahazo antso mahakasika ny fanafihana ny Zandary, dia nidina avy hatrany tamin’ilay toerana voatondro. Tazan’ireo jiolahy ny fiavian’ny mpitandro filaminana ka nitifitra avy hatrany izy ireo. Rehefa namaly tifitra ny Zandary, dia nirifatra nitsoaka ireo olon-dratsy, ary raikitra ny fanenjehana avy teo, saingy tsy hita ny dian’ireo mpandroba noho ny andro maizina.
Andian-jiolahy tanora vao erotrerony. Tsikaritry ny Zandary ny iray tamin’ireo mpanafika izay nanao « jogging » mavo misy « capuchon » ary pataloa « jean » manga, araka ny voalazan’ny voatafika. Ka tratra nirevy tao anaty kerimesy ity jiolahy. Ny ampitson’io, tsikaritry ny mpanampy tao an-trano ny roa tamin’ireo jiolahy, ka nosamborina. Taorian’izay, ny asabotsy teo, dia voasambotra ihany koa ny lehiben’ireto jiolahy, izay voalaza fa vao avy nivoaka ny fonja ny volana febroary lasa teo, noho ny fanafihana mitam-basy hatrany. Rehefa naseho ny tompon-trano voatafika sy ny mpanampiny io lehiben-jiolahy io, dia nitrikitrihan’izy ireo, fa io ilay olona nandrahona tamin’ny basy. Ny 24 jona teo no niakatra Fampanaovana tao Miarinarivo ny raharaha, ka naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy efa-dahy, izay jiolahy vao tanora erotrerony avokoa.
Eric Manitrisa