Andian-jiolahy maromaro no indray nandravarava tao amina tanana iray tao amin’ny kaominina Manazary, distrika Miarinarivo ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Vola manodidina ny iray tapitrisa mahery teo ho eo no lasan’ireto olon-dratsy ireto. Lehilahy iray kosa no fantatra fa naratra rehefa nodarohan’ireto olon-dratsy ireto. Vao niditra ny tanana izy ireo, avy hatrany dia ny basy teny an-tanany no nampiresahan’izy ireo. Tsy nisy sahy nivoaka sy nanohitra arak’izany ireo mponina teo anatrehan’ny tahotra sy ny poa-basy tsy ifandrenesana maneran’ny tanana. Tokatrano izay sendra ny hitsin’izy ireo no nidiran’ireto andian-jiolahy ireo an-keriny. Ambana basy sy zava-maranitra avy hatrany no nahazo ireo lasibatra ka tsy nisy sahy nikofoka sy nanaiky mora foana izay baikon’ireto olon-dratsy. Nahatratra teo amin’ny dimy teo ny tokatrano voatafika tamin’io alina io monja. Olona tao amina trano iray kosa no novelesin’ireo vodi-basy teo amin’ny lohany, rehefa nilaza fa tsy misy vola afaka omena azy ireo tao an-tranony. Rehefa afa-po tamin’ny asa ratsiny moa izy ireo dia nirifatra nitsoaka. Taorian’izay kosa vao afaka niantso mpitandro filaminana ireo voatafika. Tonga teny an-toerana iretsy voalohany ary nanatanteraka avy hatrany savahao sy ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka.
m.L