- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinavaratra-Fandriana

Miarinavaratra-Fandriana

Tetezana tapaka Terena ny tompon’ny fiara hiantoka tanteraka ny fanamboarana ny fotodrafitrasa

Manoloana ny fahatapahan’ny tetezana any amin’ny fokontany Ambinanindrano, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana, izay simba noho ny tsy fanarahan-dalàna, ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fitondràna fiara lehibe mitondra vesatra tsy tokony hiampita eo, dia hentitra ny teto anivon’ny faritra, ny ben’ny tananan’i Miarinavaratra sy ny teo anivon’ny « Direction Régionale des Travaux Publics » amin’izao fanimbàna fotodrafitrasa sy fananan’ny vahoaka izao ka avy hatrany dia nandray andraikitra avy hatrany. Araka izany, dia efa azo avy hatrany ilay tompon’andraikitra nanimba izao tetezana izao ary nanaiky ny fahadisoana. Manaiky ny hanamboatra ny tetezana simba ny nanimba, izany hoe hamerina haingana amin’ny laoniny ny tetezana ary efa manao ny fifanarahana eo anivon’ny kaominina ny roa tonta amin’izao ora izao, dia ny ben’ny tanana sy ny tompon’ny fiara nanimba ny tetezana. Ilaina araka izany ny fanapahan-kevitra toy ireny vokatry ny tsy fanarahan-dalàna misy ka tsy tokony hanavahana na iza na iza . Ho hita eo izay tohiny.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici