- Publicité -
samedi, novembre 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiary Toliara II : Teratany vahiny roa tra-tehaka nangalatra lakolosim-piangonana

Miary Toliara II : Teratany vahiny roa tra-tehaka nangalatra lakolosim-piangonana

Teratany vahiny roalahy no tra-tehaky ny fokonolona tao Miary, ka niharan’ny Dinabe nandoa vola mahery ny valo tapitrisa Ariary. Very nisy nangalatra ny lakolosin’ny fiangonana katolika tao Belemboka distrikan’i Toliara II, ny zoma naraina lasa teo. Natao avy hatrany ny fikarohana, ary nisy loharanom-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo niaingan’ny fikarohana, ka teo am-panafenana ny lakolosy, izay saika halevina tany anaty tany ireto vazaha ireto no voasambotra, ka avy hatrany, dia natolotra ny mpanao Dinabe, ary natao ny fanasaziana rehetra araka ny dina ara-panjakana manan-kery nankatoavin’ny fitsarana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nantsoina nanatrika ny dina izao ihany koa ny avy ao amin’ny fiangonana katolika Toliara tompon’ny lakolosy very.

Lakolosy 15 very. Vita ny sazin’ny Dinabe, dia natolotra ny fitsarana ireto mpangalatra, izay tsy mbola nahazoam-baovao hatramin’ izao : na naiditra am-ponja, na nahazo fahafahana vonjimaika, ireto teratany vahiny ireto, satria izay tompon’ andraikitra nanontanian’ny mpanao gazety, dia tsy nisy nety nanome vaovao. Raha ny nambaran’ny vikera Jeneralin’ny fiangonana katolika, dia efa ho 15 izay ny lakolosin’ny fiangonana katolika very tany anatin’ny diosezin’i Toliara, ary ny roa tamin’ireo ihany no tratra, dia ny tao Miary izao sy ny tany Sakaraha farany teo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici